Seranam-piaramanidina Ivato : Vehivavy iray handeha ho any Frantsa, tratra saika hitondra an-tsokosoko vola vahiny 136 000 euros

  • dimanche, 18 septembre 2022 17:08
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tsy vitsy ny tranga toy izany tratra teo amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato. Ny mpiasan’ny Fadintseranana tao no nahatratra an’io fikasana hanondrana vola vahiny an-tsokosoko io.

Vehivavy teratany Malagasy iray, tokony handray ny sidina AF 935 tamin’ny 15 septambra, ho any Paris, Frantsa, no tratra niaraka tamin’ny vola vahiny 136 000 euros, izany hoe 540 tapitrisa Ariary eo ho eo, teo amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato.

Hita tany aminy io vola io, rehefa nosavain’ny mpiasan’ny Fadintseranana ny entany entin-tanana. Efa avy nampandalovina teo amin’ny scanner io entany io talohan’izay. Tsy maintsy mandalo scanner mantsy ny entana entin-tanana rehetra.

Tsy nananan’io vehivavy io ny taratasy fanambarana ny fisian’ireo vola ireo. Ilaina anefa izany araka ny lalàna manan-kery eto Madagasikara.

Fandikan-dalàna roa sosona no nataon’ity vehivavy ity : fikasana hanondrana entana voarara sady tsy misy taratasy ; ary koa fanakalozam-bola tsy ara-dalàna.

Araka ny lalàna manan-kery eto Madagasikara, dia afaka mitondra vola vahiny hatramin’ny 10 000 euros ny olona handeha hivoaka an’i Madagasikara. Saingy tsy maintsy atakalo eny amin’ny Birao Fanakalozam-bola nahazo alalana izany.

Azon’ny mpandeha atao koa ny mitondra vola vahiny 1000 euros na latsaka, ary tsy ilana taratasy fanamarinana izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.