Angletera : Tonga ao Edimbourg ny nofo mangatsiakan'i Mpanjakavavy Elisabeth II

  • dimanche, 11 septembre 2022 22:09
  • Tigre
  • Sary nindramina

Raha niainga tany amin'ny trano fanaovany vakansy Balmoral, Ecosse, Royaume-Uni, ny tolakandro teo ny nofo mangatsiakan'i Mpanjakavavy Elisabeth II, dia tonga ao Edimbourg izy ankehitriny, raha nanome voninahitra sy nanao veloma farany azy ireo vahoaka sesehena tamin'ny toerana rehetra nandalovany, ka nahafahan'ny olona nanao izany.

Ao amin'ny salle du trône ao amin'ny Lapa Holyrood no misy azy ankehitriny, alohan'ny anaovam-beloma farany azy, sy anatontosana fotoam-pivavahana ny alatsinainy 12 septambra 2022.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.