Fanodinkodinam-bolam-panjakana sy volan'ny tetikasa GEF VI : Tazomina am-ponja vonjimaika ny Tale Iraisam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy Boeny-Betsiboka

  • mercredi, 20 juillet 2022 20:03
  • Zakaria

Naiditra am-ponja vonjimaika, rehefa avy natolotry ny BIANCO Mahajanga ny Pôle Anti-Corruption (PAC), ny 29 jona 2022 lasa teo ny Tale Iraisam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy (DIREDD) Boeny-Betsiboka sy ny Tompon’andraikitra Teknikan’ny tetikasa GEF VI teto Mahajanga.

Arahin’ny Fitsaràna maso kosa ny Lehiben’ny Sampan-draharahan’ny fitantanana sy ny ara-bola mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy.

Raha tsiahivina dia fanodinkodinam-bolam-panjakana, miaraka amin’ny volan’ny tetikasan’ny GEF VI, tamin’ny alalan’ny fanatanterahana iraka mifanindry fotoana amin’ny toerana samihafa no anisan’ny nanenjehana azy ireo.

Mitentina eo amin’ny Ar 27 580 000 eo ho eo ny vola voaporofo fa voahodinkodina nandritra ny fotoana nanatanterahina an’io tetikasa GEF VI io, nanomboka ny volana may 2020 ka hatramin’ny 30 jona 2022.

Marihana fa loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafahana nampitsikafona izao fanodinkodinana volam-panjakana izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.