Toetr’andro : Hidina be ny maripana ny Alakamisy 21 Jolay hatramin'ny Sabotsy 23 Jolay

  • mercredi, 20 juillet 2022 19:57
  • Zakaria

Hilatsaka be ny maripana ambany indrindra manomboka rahampitso Alakamisy 21 Jolay hatramin'ny Sabotsy 23 Jolay ho avy izao.

Mety ho tafidina hanodidina ny 00°C any Vakinankaratra any. Hisy miiba an'izay aza (-1°C na -2°C) amin'ireo toerana mangatsiaka toa an'i : Faratsiho, Antanifotsy, Ambatolampy (Andranokely, no faritra mangatsiaka indrindra eto Madagasikara rehefa ririnina).

Eo amin'ny 3°C ka hatramin'ny 8°C kosa ho an'ny faritra Analamanga sy Matsiatra Ambony.

Tsara ny manamarika fa ny vao maraina no ahatsapana io hatsiaka be io, izany hoe mety mihoatra ny ora 1 mialohan'ny hiposahan'ny masoandro.

Mila miomana ireo marefo amin'ny fiovan'ny maripana satria mety hirongatra ny aretina madinika toa ny gripa sy sery ary kohaka,...sns.

Na mangatsiaka aza ny andro dia misotroa rano matetika, tsara kokoa raha asiana citron kely, raha misy rano mafana aza vao maika tsara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.