Fitaterana an-drenivohitra : 600 Ariary sarandalana hoy CUA

  • mardi, 19 juillet 2022 17:13
  • Zakaria
  • Sary nindramina

"Tsy ekena ny fampiakarana ny saran-dalana ho 800 Ar, ho an'ny fitaterana an-drenivohitra, ary tokony manaja ny sarandalana 600 Ar, izay nifanarahan'ny Filoham-pirenena sy ireo solotenan'ny mpitatitra, ny rehetra.", hoy ny talen'ny kabinetra ny Ministeran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro.

Nampahatsiahy koa ny Fiadidiana ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra fa ny asa fitateram-bahoaka dia asa tolotra ho an’ny daholobe mialoha ny zavatra rehetra.

Manentana ny Koperativa rehetra miasa eto anivon’ny Tanànan’Antananarivo izy ireo mba hanaraka ny fiakaran’ny sarandàlana nifanarahana, satria efa nisy fifampiresahana natao mahakasika ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ireo fiantraikany amin’ny andavanandrom-piainan’ny tsirairay, na ny mpitatitra na ny mpampiasa ny fitareram-bahoaka, ary tao anatin’izany ny fiakaran’ny saran-dàlana ;

Nampahatsiahy ny CUA fa nisy fifanarahana vokatr’izany ny hamerana ny fiakaran’ny sarandàlana eo amin’ireo mpitatitra ho 600 Ariary, izay efa neken’ny rehetra, ary efa nampiharina rehefa niakatra ny vidin’ny solika.

Mila hajaina ny fifanarahana efa natao mba ho fitsinjovana ny be sy ny maro, hoy hatrany ny avy eo anivon’ny Fiadidiana ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra.

Nomena hatramin'ny Alakamisy izao moa ireo kaoperativa mpitatitra olona eto Antananarivo Renivohitra hamerenana ny sarandalana 800 Ariary ho 600 Ariary.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.