Japon : Maty tsy tra-drano nisy nitifitra ny Praiminisitra teo aloha

  • dimanche, 10 juillet 2022 22:31
  • Tigre
  • Sary nindramina

Teo ampanaovana fampielezan-kevitra fifidianana Loholona tany Nara, andrefan'i Japon, no nisy nitifitra tamin'ny basy i Shinzo Abe, praiminisitra japoney teo aloha.

Bala roa no nahavoa azy teo amin'ny hatony, ka tsy tana ny ainy afaka ora vitsy, na dia efa nentina aingana tamin'ny angidimby ho any amin'ny hopitaly aza, ary nifamonjen'ny dokotera miisa 20.

Tratra teo no ho eo ihany ilay tovolahy namono azy, ary niaiky fa izy no namono satria tsy tiany ny politika nijoroan'i Shinzo Abe.

8 taona no naha Praiminisitry Japon an'i Shinzo Abe, nametra-pialana izy tsy ela noho ny resaka fahasalamana.

Anisan'ny nampalaza ny governemanta notarihany ny fahaizany miala tsiny raha misy andraikitry ny fanjakana tsy nandeha amin'ny tokony ho izy.

Anisan'izany ny fihondrehan'ny Minisitry ny angovo, nandritra ny 20min nanolona ny Parlemanta, noho ny fahatapahan'ny herinaratra, nandritra ny 20min.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.