Lavanila : Misokatra ny tsena, fa ny mpividy no tsy misy

  • dimanche, 10 juillet 2022 19:21
  • Tigre
  • Sary nindramina

Feno fisalasalana ireo mpividy amin'ny mety ahazoana ny agréement na tsia, izay alalana ahafahana manondrana any ivelany ireo lavanila.

Efa misy anefa ireo tsena efa misokatra, fa tsy misy tonga ny mpividy.

Raha noferan'ny fanjakana ho 75 000ar ny vidiny farany ambany, misy ny mividy amin'ny 25 000ar.
Miezaka manentana ireo tompon'andraikitra amin'ny hamarotana izany amin'ny vidiny efa voafaritra faran'ny ambany, fa tsy miroso ny mpividy, na manao trosa lavanila mihitsy.

Miantso ny ministera ireo mpamboly arak'izany, fa tsy araka ny nantenaina ny tena zava-misy any an-toerana.

Betsaka hoy izy ireo ny lavanila, fa ny mpividy no tsy misy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.