Raharaha kolikoly : Polisy monisipaly roa naiditra am-ponja vonjimaika

  • dimanche, 10 juillet 2022 18:07
  • Zakaria

Polisy monisipaly roa miasa eo anivon’ny Kaominina ambonivohitr’i Fianarantsoa no naiditra am-ponja vonjimaika ny 08 jolay 2022 noho ny raharaha kolikoly.​

Io no fanapaha-kevitra noraisin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Fianarantsoa taorian’ny fanadihadiana nataon’ny BIANCO Fianarantsoa.​

Raha zohiana ny raharaha dia misy amin’ireo polisy monisipaly no manararaotra ny andraikitra sahaniny mandritra ny fisafoana izay ataony, ka nanao fanagiazana ny entan’ireo mpivarotra tao amin’ny Tsena Anjoma izay ambarany fa tsy ara-dalàna.​

Takian’izy ireo vola mitentina 30 000 Ar ka hatramin’ny 60 000 Ar isaky ny mpivarotra vao miverina amin’ny tompony ny entana.​

Fomba fiasa izay tsy ara-dalàna noho izy ireo tsy nomen’ny lalàna fahefana handray vola saran’ny fanagiazana, sy tsy fanomezana taratasy manamarina ny vola naloa, ary mampadoa vola mihoatra ny tokony haloa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.