Fanadinam-panjakana : 525 111 ireo hiatrika ny fanadinana CEPE 2022

  • mardi, 21 juin 2022 07:15
  • Zakaria

Hotanterahina manerana ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara ny tontolo andron'ny Talata 21 jona 2022 ny fanadinam-panjakana CEPE.

Miisa 525 111 ireo mpiadina voasoratra anarana, manana fahasembanana ny 107 amin'ireo : Jamba ny 16, manana olana ara-pahitana ny 19, moana sy marenina ny 57 ary manana kilema manokana ny 15.

Hitsinjara amin’ny efitrano fianarana miisa 15 944 amina foibem-panadinana miisa 1 997 manerana ny Nosy ireo mpiadina.

Araka ny nambaran’ny Dr Sahondrarimalala Marie Michelle, minisitry ny fanabeazam-pirenena, dia ezahina hivoaka ato anatin’ny folo andro ny voka-panadinana CEPE.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.