ADEMA : Amperinasa ny Tale Jeneraly vaovao

  • mardi, 14 juin 2022 14:17
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Andrianiaina Jean Germain no Tale Jeneraly vaovao ny ADEMA. Notanterahina ny 13 jiona 2022, teny amin’ny birao foiben’ny orinasa ADEMA Ivato, ny lanonana, fanolorana sy fametrahana azy amin’ny fomba ofisialy, teo ambany fiahian’ny Ministera ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr'andro.

Raha nitàna ny andraikitra maha Tale mpisolo toerana nandritran’ny herintaona sy efa-bolana, ary niatrika ny tomban’ezaka izay nataon’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa ADEMA, ny 09 jiona lasa teo, Andriamatoa Andrianiaina Jean Germain, dia tapaka fa izy no hitantana indray ity orinasa ity mandritra ny dimy taona manaraka.

(Jereo Sary Tohiny)

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.