Analakely : Basy sy bala tsy ara-dalàna an'arivony nopotehina ampahibemaso

  • vendredi, 29 avril 2022 16:43
  • Zakaria
  • Sary : MDN

Fitaovam-piadiana 1 089 sy bala miisa 40 no nopotehina am-pahibemaso androany maraina teo amin'ny tokontany malalaky ny Lapan'ny Tanàna Analakely.

Ireo fitaovam-piadiana ireo dia azo tamin'ny fanentanana nataon'ireo tompon'andraikitra nandritra ny iray volan'ny famotsoran-keloka amin'ny fitazomana basy tsy ara-dalàna.

Nanotrona ny fotoana androany ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly RAKOTONIRINA Richard, ny Minisitry ny Fitsarana, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena ary ny Solotenan'ny Vondrona Afrikana, Ramatoa HAWA Ahmed Youssouf avy amin’ny Vondrona Afrikana, ary ny avy ao amin'ny Vondrona Eropeana.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.