Rivodoza JASMINE : Namono olona 3 teto Toliara
- mercredi, 27 avril 2022 14:24
- Zakaria
Namela takaitra teto Toliara ny fandalovan'ny rivodoza JASMINE.
Maro ireo rava trano sy tafotrano noho ny rivotra mahery.
Araka ny tatitra vonjimaika avy ao amin'ny CPGRC dia olona 3 no maty, 6 naratra, maherin'ny 100 ny tafotrano simba sy ravan'ny rivodoza, ary olona miisa 152 no tsy manan-kialofana, ka napetraka ao amin'ny Kianja mitafo Tsenengea.
Niara-nisalahy ny tompon'andraikim-panjakana rehetra sy ny Kaominina Ambonivohitr'i Toliara amin'ny fanalana ireo hazo tapaka sy nianjera ary ny fikarakarana ireo traboina.
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.