Lalana fiviliana Ambohipo : Mila jerena fa mety amono olona
- samedi, 16 avril 2022 09:52
- Super User
Noho ny fanamboaran-dalana miakatra an'Ambohipo, Boriborintany faha 2, Antananarivo Renivohitra, dia notapahana ny lalana fiakarana Andohanimandroseza, ka nasiana lalana mivily, déviation, mihazo ny lalana Kotavy (route d'Ambassade), nefa tsy nisy fijerena na ny kely akory izay lalana izay, fa hantsana efa ho 5m no miandry raha diso kely ny mpamily, nefa ao anaty lavaka efa mandifotra fiara 60cm ny alalany, izay misy rano mandeha tsy mijanona.
Nisy arak'izany ny fiara efa latsaka ilany tanaty lavaka, misy ireo mikasoka, indrindra ireo fiara madinika, ary voatery mandeha mafy ao anaty lavaka raha tsy te ho tavela ao.
Misy injeniera mandinika ireny lalana mivily ireny ve alohan'ny anapahana sy anamboarana ilay lalana tiana hitondrana fanatsarana, sa amboarina aloha ilay lalana mivily vao manapa-dalana.
Mirary soa e.
Patrick
(Jereo Sary Tohiny)
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
https://gasypatriote.com/tselatra/item/27918-lalana-fiviliana-ambohipo-mila-jerena-fa-mety-amono-olona.html#sigProGalleria2a67884f34
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.