Rivodoza Batsirai : Tsy mianatra ny mpianatra rehetra, tsy miasa ny mpiasa ao anatin'ny faritra mena, manomboka rahampitso zoma

  • jeudi, 03 février 2022 08:44
  • Zakaria

Nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana, nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra omaly alarobia 02 febroary 2022, fa tsy mianatra avokoa ny mpianatra rehetra manerana ny Nosy manomboka rahampitso zoma 04 febroary 2022.

Ireo mpiasam-panjakana rehetra, ao amin'ny "Zone Rouge", dia tsy miasa avokoa manomboka rahampitso zoma.

Ny mpiasa amin'ny Orinasa tsy miankina (Privée) amin'ireo "Zone Rouge" dia tsy miasa ihany koa manomboka rahampitso zoma 04 febroary 2022, saingy ankinina amin'ny Tompon'ny Orinasa ny fandaminana izay sokajina mpiasa tsy maintsy hiasa ho fampandehanana ny Orinasa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.