Moramanga : Hovitaina ny fefiloha ao Ambodiakondro hamerenana tsikelikely ny famatsian-drano
- mardi, 25 janvier 2022 09:23
- Zakaria
- Sary Jirama
Hisy ny vahaolana vonjimaika amin'ny famatsian-drano, ary vinavinaina ho vita anio talata ny fanarenana ny fefiloha.
Namaly ny antson'ny JIRAMA ny ambaratongam-pahefana rehetra aty Moramanga amin'ny fanarenana ny fefilohan'Ambodiakondro izay vaky ny Alahady 23 janoary lasa teo, noho ny tondra-drano ka niteraka fiatoan'ny famatsian-drano aty an-toerana.
Andalam-pametrahana ny fefy amin'izao fotoana izao hahafahana mihazona ny rano hahatratra ny haavo ilaina amin'ny famokaran-drano 100m3 isan'ora.
Efa aty an-toerana ihany koa ny paompy avy any Antananarivo izay hanamafy ny famokarana hahatrarana io filàna io.
Vinavinaina ho vita anio maraina ny asa fanarenana io fefilohan'Ambodiakondro io ka aorian'izay dia hiverina tsikelikely ny famatsian-drano aty an-toerana.
Misy ireo faritra sasany toy ny hopitaly izay nandraisana fepetra vonjimaika amin'ny alalan'ny famatsian-drano nanomboka ny alahady.
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
https://gasypatriote.com/tselatra/item/27586-moramanga-hovitaina-ny-fefiloha-ao-ambodiakondro-hamerenana-tsikelikely-ny-famatsian-drano.html#sigProGalleria2d91f73b6f
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.