Ampasika : Ahiana hihoatra ny fefiloha ny rano

  • lundi, 24 janvier 2022 19:43
  • Tigre
  • Sary nomena

Io hariva amin'ny 5ora30min teo dia efa safovavany amin'ny haavon'ny fefiloha eo ambanin'ny tetezana Ampasika eo ampitan'ny Akoor digue iny ny rano.

Manahy ny mponina manodidina fa raha avy indray ny orana anio alina
dia tsy maintsy hihoatra an'ilay fefy ny rano.

Mihezaka manamafy izay fefy somary manify izay ireo mponina satria raha sanatria ka mihoatra io fefiloha io ny rano dia hianaka ka ho dibon-drano daholo hatreny fokontany Amberivatry sy Itaosy ambanin'ny cité iny.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.