RN44 sy RN2 : Sahiran-tsaina ny mpitondra razana

  • dimanche, 23 janvier 2022 22:52
  • Balita
  • Sary nindramina

Miato hatramin’ny talata maraina ny fitateran’olona iombonana amin’ny lalam-pirenena RN44 sy RN2, araka ny filazàna navoakan’ny ministeran’ny fitaterana noho ny antony efa iaraha-mahalala.

Eo anatrehan’izany dia vaky loha ireo namoy ny havana ka hitondra izany any an-tanindrazana.
Any Vohidiala, Ambatondrazaka, ohatra dia misy Ntandroy nodimandry tamin’iny herinandro lasa teo iny kasain’ny fianakaviany haterina any Androy.

Torak’izany ihany koa ny olona iray avy any Ambodinonoka, Ambatondrazaka ihany, izay tokony halevina any Antananarivo rahampitso alatsinainy faha-24 janoary.

Tapaka tanteraka ny fifamoivoizana amin’ny RN2 any Moramanga noho ny fahasimban’ny lalana nateraky ny ranobe halina.
Samy tsy misy afaka mandeha na ny fiarakodia hatramin’ny moto na ny kalesin-dalamby.

Hazo fisaka izao no napetraka vonjimaika mba hiampitan’ny mpandeha an-tongotra.
Efa amperinasa hatry ny maraina kosa ny ekipan’ny ministeran’ny Asa vaventy sy ny mpiray ombon’antoka manala ny sakana eny an-dalana.

Mba hampizotra tsara ny asa haingana no anton’ny fampitsaharana ny fivezivezen’ny fiara fitateram-bahoaka amin’ny RN44 sy ny RN2 aloha.

Balita Raharisoa

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.