Tapaka ny RN2 : Tsy ahiana ny famatsiana solika sy PPN

  • dimanche, 23 janvier 2022 22:21
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nivoaka an-dranomasina tao amin'ny Faritra Boeny ny maraina teo ilay rivodoza ANA.

Lehibe ny takaitra navelany vokatry ny rano be nateraky ny orana nijojo, indrindra tao Alaotra Mangoro sy Analamanga.

Nisy ny aina nafoy, misy ny tsy hita popoka nentin'ny rano.
Betsaka ny fotodrafitrasa simba. Nisy trano nianjera, tany nihotsaka, tetezana nofaohin'ny rano. Tapaka ny lalam-pirenena faharoa (RN2) sy ny fitaterana an-dalamby.

Na eo aza izany dia tsy hisy fiantraikany amin'ny famatsiana solika sy ireo entana ilain'ny mponina andavanandro (PPN) izany, satria mbola manana tahiry herinandro vitsivitsy na ho an'Analamanga na Mangoro.

Efa amperin'asa rahateo ny teknisianina rehetra, na ny avy amin'ny asa vaventy amin'ny fanarenana vonjimaika ny simba, hanokafana ny lalana hiverenan'ny fifamoivoizana ; na ny avy amin'ny ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo ary ny ekipan'ny Jirama hamerenana ny famatsiana herinaratra sy rano.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.