Fampianarana : Mbola miato ho an'ny Faritra maromaro

  • dimanche, 23 janvier 2022 22:21
  • Zakaria

Namoaka filazana ny ministeran'ny Fanabeazam-pirenena fa noho ny faharatsian'ny toetrandro izay mbola mitarika fahasarotana maro, hiatrehana ny fiverenana an-tsekoly ampilaminana, sy ho fitsinjovana ny fahasalamana, ary indrindra hisorohana ny loza mety hiseho ; dia mbola miato aloha ny fampianarana amin'ireto toerana ireto :

- Ho an’ny faritra MELAKY : Maintirano, Besalampy,
- Ho an’ny faritra BOENY : Mahajanga, Mitsinjo, Soalala, Marovoay,
- Ho an'ny faritra SOFIA : Antsohiny, Analalava,
- Ho an’ny faritra DIANA : Ambanja, Nosy Be, Ambilobe, Antsiranana,
- Ho an’ny faritra SAVA : Antalaha,
- Ho an’ny faritra ANALAMANGA : Antananarivo, Ambohidratrimo, Andramasina, Manjakandriana,
- Ho an’ny faritra VAKINANKARATRA : Ambatolampy, Antanifotsy ary Antsirabe,
- Miampy ny distrika rehetra amin’ny faritra ANALANJIROFO, ATSINANANA ary ALAOTRA MANGORO.

Miato ny fampianarana manomboka ny 24 Janoary hatramin'ny 28 Janoary 2022 ary mandra-piverina ho faritra maitso.

Entanina hatrany ny talen-tsekoly hifampiresaka amin’ny ray aman-dreny amin’ny fivoaran’ny toetrandro.
Miato ihany koa ny fianarana eny amin'ny oniversite sy IST rehetra ny alatsinainy 24 sy talata 25 Janoary, araka ny fanambarana nataon'ny ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa androany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.