Sambo dobo an-dranomasina : 50 tamin’ireo mpandeha 130 nentin’ny« MS Francia » no avotra hatreto

  • mardi, 21 décembre 2021 11:01
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nitrangana loza an-dranomasina namoizana ain’olona ny 20 desambra 2021 tamin’ny 09 ora maraina, tao amin’ny fokontany Ampanjalava. Olona miisa 130 no nandeha tamin’ny sambo mpitondra entana.

Tsy manana fahazon-dalana hitondra mpandeha ny sambo antsoina hoe : « MS Francia », mitondra ny laharana S/M 2102, niainga avy tany Antanambe, Mananara-Avaratra ny alatsinainy maraina tamin'ny 02 ora sy 25 minitra, hiazo an'i Soanierana Ivongo.

Rendrika teo anelanelan'i Antseraka sy Andrangazaha io sambo io noho ny fidiran’ny rano sy ny fitongilanan’ny sambo tampoka.

Vokany : olona 18 no namoy ny ainy. Ny 50 tamin’izy ireo kosa hatreto no avotra soa aman-tsara. Mitohy ny fikarohana ireo mpandeha ambiny.

Nandray ny andraikiny ny antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-dranomamy sy an-dranomasina, na APMF, nanampy azy ny Détachement Marine avy ao Sainte-Marie, ary ireo olona nanolo-tanana ka nahafahana namonjy ireo mpandeha sy nikaroka ireo razana.

Manaraka akaiky ny fivoaran'ny toe-draharaha ary manohy hatrany ny fanadihadiana ny APMF sy ny Ministeran’ny Fitaterana sy Famantarana ny toetr’andro.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.