Solombavambahoaka : Hanao fanadihadiana momba ny fiakaran’ny PPN

  • mardi, 14 décembre 2021 17:27
  • Zakaria

Nankatoavin’ireo Solombavambahoaka ny Alatsinainy 13 desambra ny Tolo-pehin-kevitra laharana faha-008 -2021/PR entina manangana ny vaomiera mpanao fanadihadiana momba ny fiakaran’ny vidim-bary sy ireo entana ilaina andavanandro, ary ny fitaovana fanorenana izay natolotry ny Solombavambahoaka Idealson.

Ny ampihimamba ataon’ireo mpandraharaha sasany no nahatonga azy ireo hanangana vaomiera mpanadihady ity, mba hahafantaran’ny mpanjifa ny tena vidin’entana tokony ho jifaina.

Raha ny Faritra Atsimo Andrefana no voalaza hanaovana ny fanadihadiana, araka ny tolo-pehin-kevitra dia nanapaka ireo Solombavambahoaka fa hitarina manerana an’i Madagasikara izany fanadihadiana izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.