Fahasalamam-bahoaka : Nankaiza ny vaksinin-jaza BCG sy Polio

  • lundi, 22 novembre 2021 07:28
  • Zakaria

Efa herinandro maromaro izao no tsy ahitana vaksinin-jaza BCG sy Polio atete am-bava eny amin’ireo toeram-pitsaboana miankina amin’ny fanjakana.

Maro amin’ireo zaza vao teraka no tsy mbola nisitraka vaksiny.

Tonga eny amin’ny CSB sy « Maternité » mitondra ny zanany ireo reny, saingy miverim-potsiny ary tsy nampahafantarina mazava izay fotoana ahatongavan’ireo vaksiny ireo.

Manahy ny amin’ny ho fahasalam-janany ireo ray aman-dreny manoloana izany tsy fisiana vaksiny sy ny fitarazohan’ny famatsiana izany, ny toetr’andro rahateo efa miovaova ka mamparefo ny fahasalamana, ary tato ho ato dia tsikaritra fa betsaka ireo zaza tratry ny tsy fahasalamana entina manantona ireny hopitalin’ny Reny sy ny zaza ireny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.