Andaingo : Jiolahy avy nangalatra omby tra-tehaky ny Zandary

  • dimanche, 21 novembre 2021 13:45
  • Zakaria
  • Sary ZP

Jiolahy roa avy nangalatra omby tany Anjozorobe no tra-tehaky ny Zandarimariam-pirenena miasa ao Andaingo ny Alarobia 17 novambra 2021 lasa teo.

Enin-dahy izy ireo no niaraka fa tafaporitsaka ny efatra, ka ireto roalahy ireto ho hitan’ny olona mihaodihaody sady mampiahiahy tao Andaingo ka nisy nampandre avy hatrany ny zandary ao amin’ny “Poste Avancé” Andaingo.

Nanao ny vela-pandrika ireto farany ka tra-tehaka izy roalahy niaraka tamin'ny basy sy antsy lava.

Natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Moramanga izy ireo, ary nampidirina am-ponja avy hatrany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.