Zandary sandoka : Natolotra ny Fitsarana tao Antalaha androany

  • mercredi, 17 novembre 2021 15:28
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Niaiky ilay tovolahy avy ao Antsirabe Sambava fa tena nisandoka ho zandary tokoa tany anaty tambanjotra facebook, ary mbola nahatratrarana fanamiana miaraka amin'ny grady, izay nolazainy fa novidiny tany anaty Friperie Antananarivo, fa somary namboarina ho nanana endrika toy izao ilay fanamiana.

Natolotra ny Fitsarana Ambaratonga voalohany tao Antalaha androany ilay Zandary sandoka, ary tanana am-ponja vonjimaika.

Mbola manainga ny fiaraha-miasa amin'ny rehetra ny avy amin ny Zandarimaria raha misy tranga tahaka izao, fa ny fidirana ho zandary dia amin'ny alalan'ny fifaninana ihany hoy ny Lieutenant Colonel TIANA Andriambololona, Commandant Groupement SAVA, raha nitafa tamin'ny mpanao gazety androany maraina tao amin'ny birao fiasany izy.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.