Mahanoro - Marolambo : Hatomboka 2022 ny fanarenana io lalana io

  • lundi, 15 novembre 2021 08:01
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Hanomboka amin'ny fiandohan'ny taona 2022 ny fanarenana ny lalana 130 km mampitohy an'i Mahanoro sy Marolambo ao amin'ny Faritra Atsinanana.

Vola 15 miliara Ariary no natokan'ny fanjakana amin'izany asa fanarenana izany araka ny nambaran'ny Minisitry ny Asa vaventy Hatrefindraza Jerry.

Hamboarina ary hatao tara ihany koa ny lalana mampitohy an'i Marolambo sy ny Distrika Antanifotsy, ka ho fantatra amin'ny telovolana faharoa ny taona 2022 ny orinasa hanatanteraka an'izany.

Niaraka nijery teny an-toerana moa ny minisitry ny asa vaventy, ny Solombavam-bahoaka filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Irmah Naharimamy Wilson, ary ny Governora Faritra Atsinanana, Rafidison Richard Théodore niaraka tamin'ireo tompon'andriakitra mahakasika izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.