Sainte Marie : Sambo iray no niditra an-tsokosoko tao amin'ny seranan-tsambo

  • jeudi, 11 novembre 2021 20:12
  • Zakaria
  • Loharano : MDN

Sambo iray niditra an-tsokosoko tao amin'ny seranan-tsambo ao Sainte Marie no tratran'ireo miaramila ao amin'ny Tafika an-dranomasina, omaly 10 novambra 2021.

Tsy nisy ny fampandrenesana nataon'izy ireo ny tompon'andraikitra tany amin'ny tany niavihana sy ny tao Sainte Marie ka niroso avy hatrany tamin'ny fisavana ireo mpitandro filaminana.

Teratany vahiny roa no tao anatin'ilay sambo kely ka tsy manana fahazoan-dalana (visa) hipetraka eto Madagasikara ny iray tamin'izy ireo.

(Loharano : MDN)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.