Fakana an-keriny : Voaavotra teo ampelan-tanan’ny dahalo i Bebe Dety, 59 taona

  • jeudi, 11 novembre 2021 11:41
  • Zakaria
  • Sary ZP

Avotra soa aman-tsara tsy nanahy ilay Ramatoa 59 taona nalain'ny andian-dahalo ankeriny tao Antanetibe Anativolo, Distrika Anjozorobe ny alin'ny 08 hifoha 09 novambra 2021.

Ireo andiana zandary no nanao vonjy taitra nanavotana azy.
Raha vao nandre ny tranga fanafihana ny Kapiteny Komandin'ny Kaompania Imerina Centrale dia nidina tany an-toerana nanao hetsika vonjy taitra nanampy ireo zandary tany an-toerana.

24 ora taty aoriana dia sarona ireo andian-dahalo nahavanona izany tao Androvakely tamin'ny sasakalin'ny faha 10 novambra.

Nisy fifandonana mahery vaika, avotra soa aman-tsara i Bebe Dety izay nalain'izy ireo ankeriny, maro ireo dahalo no naratra vokatry ny fifampitifirana, saingy mbola afa-nandositra nanararaotra ny haizin'ny alina. Tsy nisy nanahy ireo zandary.

Nitaky vola 60 tapitrisa Ariary ireo dahalo taorian'ny fakana ankeriny, tsy nisy na Ariary aza naloan'ny fianakaviana tamin'ireo dahalo fa natoky ny fandraisan'andraikitry ny Zandarimaria izy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.