Toetrandro : 3 hatramin’ny 5 ny isan’ireo rivodoza mety hahakasika an’i Madagasikara

  • mercredi, 10 novembre 2021 19:26
  • Zakaria

Manodidina ny 3 hatramin’ny 5 ny isan’ireo rivodoza mety hahakasika an’i Madagasikara, ary 1 hatramin’ny 3 no mety hiditra an-tanety mandritra ity vanim-potoanan’ny fahavaratra 2021-2022 ho avy ity.

Noho ny fiovan’ny toetrandro dia rivodoza iray mahery vaika ihany dia mety hiteraka fahavoazana goavana raha ratsy fiomanana.

Amin’ny fotoana tsy ampoizina no mety hipoiran’ny rivodoza, hoy ny manampahaizana momba ny toetrandro. Ireto farany izay mampirisika ny rehetra dieny izao mba hiomana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.