Fanodinkodinana volam-panjakana : Mpanamarimbola iray nidoboka am-ponja ao Marofoto

  • vendredi, 05 novembre 2021 19:16
  • Zakaria

Voasaringotra niaraka tamin’ny Lehiben’ny Faritra Sofia teo aloha ho nanodinkondim-bola hatrany amin’ny 596 tapitrisa Ariary ity Mpanamarimbola niasa tao amin’ny Faritra Sofia ity.

Niakatra fampanovana tao amin’ny Pôle Anti-Corruption (PAC) Mahajanga ny raharaha ny 3 novambra 2021. Notanana am-ponja vonjimaika ao Marofoto ilay Mpanamarimbola taorian’izay.

Efa nisy olona sivy hafa, anisany ny lehiben’ny Faritra Sofia teo aloha, notanana am-ponja vonjimaika nanomboka ny 21 jona 2021, noho ity raharaha fanodinkodinam-bola ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.