4 novambra : Tsiaro an’i Didier Ratsiraka

  • jeudi, 04 novembre 2021 12:40
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary nindramina

Mitsingerina amin’ity androany 4 novambra ity ny andro nahaterahan’ny Amiraly Didier Ratsiraka. Teraka tao Vatomandry ny 4 novambra 1936, ary nodimandry teto Antananarivo ny 28 martsa 2021.

Ho fahatsiarovana azy dia misy androany ny fotoam-pivavahana tao amin’ny Chapelle Saint Michel Amparibe, fametrahana voninkazo eny amin’ny Mausolée ilevenany ary hetsika fitadiavam-bola amin’ny alalan’ny fiaraha-misakafo ho fanohanana ny Fondation Céline et Didier Ratsiraka.

Filoha mpanorina ny antoko Arema izy. Filoham-pirenena teo aloha, nitondra teo anelanelan’ny 15 jona 1975 ka hatramin’ny 27 martsa 1993. Niverina teo amin’ny fitondrana indray ny 9 febroary 1997 ka hatramin’ny 5 jolay 2002.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.