IST- Antsiranana : Manambana ny hampiato ny fampianarana

  • dimanche, 17 octobre 2021 12:41
  • Zakaria

Nanao taratasy fampiomanana fampiatoana ny fampianarana ireo mpampianatra ao amin’ny IST-Antsiranana nanomboka ny zoma 15 oktobra 2021.


Antony dia noho ny tsy fahalavorarian’ny fampianarana araka ny tokony ho izy noho ny tsy fahampian'ny fitaovana, vola sy Mpampianatra.

Eo koa ny tsy mbola nahazoan’ny mpampianatra ny « vacations » sy ny ora fanampiny (Heures complémentaires) hatramin’ny 2017-2018. Ary koa ny fifanaraham-piaraha-miasan'ny mpampianatra izay tsy mazava hatramin’izao.

Raha tsy misy ny vahaolana dia hampiato ny fampianarana ao amin’ny IST Antsiranana ireo mpampianatra manomboka ny Alatsinainy 18 oktobra ho avy izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.