Ilakaka : Banky iray voaroba 925 tapitrisa Ariary

  • mercredi, 13 octobre 2021 12:39
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Norobain’ny jiolahy ny banky iray ao Ilakaka, Distrika Ihosy Faritra Ihorombe. Ny alin’ny alatsinainy 11 oktobra 2021 no nitrangany. 925 tapitrisa Ariary no lasan’ireo jiolahy.

Nandeha avy hatrany ny sakana tamin’ny lalam-pirenena taorian’ny fanairana azon’ny mpitandro ny filaminana.

Nampiasa fiara tsy mataho-dalana roa ireo jiolahy, namerezan-dia ny mpitandro filaminana. Nampiasa ny fahaiza-manaony maha matihanina azy anefa ireto farany ka tra-tehakin’ny FIP Toliara ny alin’ny alatsinainy 11 oktobra 2021, tao anaty fiara tsy mataho-dalana iray ny jiolahy efatra raha hitodi-doha ho any Toliara izy ireo.

Tratra tao ny volabe sy taratasim-bola maromaro ary basy poleta iray nentin’izy ireo.

Anatin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao, ahitana ny marina amin’ity raharaha ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.