Fitsarana : Nahemotra rahampitso ny fitsarana ireo dokotera, Eddy ary ireo mpiandry fonja

  • lundi, 11 octobre 2021 21:09
  • Tigre

Niakatra fampanohavana androany alatsinainy 11 oktobra ny raharaha nitazonana an'ny Profesora Auberlin Rakototiana sy ny Dokotera Rakotosamimanana Jean Marie, Directeur Adjoint Technique na DAT, izay ampangaina ho niray tsikombakomba tamin'ny fampandosirana ny gadra marary Eddy Maminirina.

Taorian'izay dia avy hatrany dia niroso tamin'ny fitsarana ny raharaha ireo mpitsara.

Efa alina anefa ny andro, ka dia nahemotra rahampitso talata 12 oktobra ity raharaha mampisahotaka ireo mpitsabo, izay manambana ny ampihato tanteraka ireo hopitaly fandraisana marary ankoatr'ireo tena mihatra aman'aina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.