Marolambo : Voatendry ny chef Cisco vaovao saingy sakantsakanan’ny olomboafidy ny handraisany ny asany

  • vendredi, 08 octobre 2021 19:12
  • Zakaria

Misy lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana na chef Cisco vaovao notendren’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena hiasa ao Marolambo. Efa ao amin’ny DREN Atsinanana ny Naoty mahakasika ny fanendrena azy saingy tsy tonga eny ampelan-tanan’ilay vao notendrena.

Re fa misy olomboafidy manao izay fomba rehetra tsy hisian’ny famindram-pahefana eo amin’ny chef Cisco teo aloha sy ny chef Cisco vaovao hahafahan’ity farany mandray ny asany.

Tonga hatrany amin’ny fandrahonana hanao ampamoaka ny zava-nitranga nanodidina ny fanadinana CAE tany Marolambo ho nisy fitakiana vola ny raharaha, fiampangana izay tsipahin’ireo voakasik’izany marindrano.

Mikatso, tsy mety tontosa hatreto ny famindram-pahefana ho an’ny fitantanana ny Cisco Marolambo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.