Vaksiny Covid-19 : Mila jerena akaiky ireo mpilatsaka an-tsitrapo

  • vendredi, 01 octobre 2021 19:04
  • Tigre

Ao anatin'izao ady amin'ny valanaretina Covid-19 izao, dia niantso hatrany ireo tsara sitrapo ny fanjakana anolo-tanana azy, na tamin'ireny fotoana nampirongatra ny aretina ireny, na amin'izao fanaovam-bakisiny izao, izay hikendrena ny fahavitan'ny 70% n'ny Malagasy, izay antoka hifehezana tanteraka ny aretina.

Maro ireo namaly ny antso, ary dia nanolo-tena ho an'ny mpiara-belona. Ekena fa tsy nisy resaka fanambazana vola na karama izany asa fanoloran-tena izany, nefa kosa tokony ho jerena manokana izy ireo, na ny fiarovana azy ireo amin'ny asa izay miatrika mivantana ny aretina, na ny sakafo sy tohan'aina mandritra ny fanatanterahana ny asa, satria dia tsy mody izy ireo fa miaritra ny anohanana ny sasany. Tsy mahazo fanampiana ara-bola na dia vatsy kely sy saran-dalana aza, toa vava indray no azo hoe "Inona no maha bénévole anareo"?

Ireo mpiasan'ny fahasalamana efa mpiasam-panjakana moa dia mahazo ny karama andavanandro fotsiny, tsy misy fitsinjovana amboniny amin'ny asa izay tanterahana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.