Fandriampahalemana : Mpanendaka mirehareha fa efa kilalaony eny Antanimora

  • vendredi, 17 septembre 2021 20:43
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Mpanendaka voasambotry ny Polisy eny Antaniavo Antohomadinika, ary natolotra ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy ny 25 Aogositra 2021, ary nidoboka am-ponja, dia afaka sahady, ary nanendaka indray.

Mirehareha mihitsy ireo mpanendaka fa hoe : ho sasatra ny Polisy hisambotra azy fa raha eny Antanimora efa kilalaony, satria misy mpikarakara hono izy ireo ao ka mivoaka miditra.

Tanora herotrerony 16 ka hatramin’ny 23 taona izy ireto, mpitsindrona zavamahadomelina mahery vaika, efa gadra lava noho ny fanendahana amin'iny manodidina an’Antohomadinika iny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.