Mifoka sigara sady miteny ratsy : Navoaka tao anaty fiara ilay mpandeha nony teo Tsinjony RN7

  • dimanche, 18 juillet 2021 13:59
  • Zakaria
  • Sary ZP

Lehilahy iray mpandeha fiara iombonana no voatery nampidinina avy anaty fiara fitateram-bahoaka teo amin’ny sakana teo Tsinjony amin’ny lalam-pirenena faha 7 ny zoma 16 jolay 2021.

Mifoka sigara sady miteny ratsy ity lehilahy ka nampitaraina ny mpandeha iray tao anaty fiara, na dia efa notenenina mora aza.

Nisotro alikola izy ary voatery najanona teo amin'ny sakana mandra-pisavan'ny toakany. Ny fiara kosa nanohy ny diany niazo an’Antananarivo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.