Vatobe - 67ha: Nitrangana haintrano goavana

  • mardi, 23 juin 2020 22:59
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Setroka nanaka-danitra no nanaitra ny mponinan’Antananarivo nanomboka ny fiafaran’ny tolakandro teo. Nitrangana haintrano goavana teny amin’ny faritra Vatobe 67ha, Boriborintany Voalohany, Antananarivo Renivohitra. Trano hazo ny ankamaroan’ireo nirehitra.

Nanao izay ho afany ny Fokonolona amin’ny famonoana ny afo.Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy ao Tsaralalana.

Mba hisorohana ny mety ho fihitaran’ny loza dia niroso tamin’ny fanapahana ny herinaratra eny an-toerana ny JIRAMA.

Nidina nijery ny fahavoazana teny an-toerana sy nitondra fanampiana vonjy aina ho an’ireo traboina ny solontenam-panjakana sy ny teo anivon’ny Governoran’ny faritra Analamanga.

Nampahery ireo niharam-boina ihany koa, indrindra ireo fianakaviana namoy havana tao anatin’izao haintrano izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.