Bekily - Androy: Zandary nitondra olona voarohirohy amina halatr’omby nisy nitifitra teny an-dalana

  • vendredi, 19 juin 2020 22:24
  • Zakaria

Nitrangana halatr’omby tany Bemanondrotsy Kaominina Ambatosola, Distrika Bekily ny tapaky ny volana may 2020. Lehilahy roa ahiahiana ho ambadik’izao halatr’omby izao no nosamborin’ny Zandary manao fampandriantany ny 18 jona 2020, niainga avy amin’ny fanomezam-baovao voarain’ny Zandary.

Teny an-dalana hitondra ireo olona voarohirohy ireo amin’ny moto hiazo eny Bekily io 18 Jona io ireo Zandary ireo no nisy nitifitra tokony tamin’ny 05 ora hariva. Maty voatifitra tamin’izay ny iray tamin’ireo olona nosamborina voarohirohy tamin’ny halatr’omby, ary naratra ny Zandary iray.

Efa tsaboina ao Bekily ilay Zandary maratra. Efa tonga ao Bekily ihany koa ireo namany sy ilay olona iray ahiahiana sisa tsy maty. Efa any amin’ny tranom-paty ao Bekily ny razana.

Mitohy ny famotorana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.