Vangaindrano: Zandary iray, kilasy voalohany, tsy hita nanjavonana taorian’ny fandikan-dalàna nataony

  • vendredi, 19 juin 2020 21:58
  • Zakaria

Fitakiam-bola mitentina 1 340 000 Ariary mba handaminana raharaham-pitsarana, nanokafana fanadihadiana no isany anenjehana an’ity zandary ity. Tranga izay niseho tamin’ny 11 jona 2020. Nanomboka teo no tsy namonjy toeram-piasana tao Anilobe ilay zandary, mitondra galona kilasy voalohany.

Tokony natolotra ny Fampanoavana ny 15 jona 2020 ny raharaha mahakasika azy, nefa tsy nipoitra izy. Nokarohina tany amin’ireo toerana noheverina fa tokony ahitana azy, fa tsy hita ary tsy tratra antso. Mitovana ny fandikan-dalàna vitany, amin’ny tsy fandehanany nefa tsy nahazoany alalana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.