Sambava: Voasambotra ilay « Adjudant Chef » sandoka

  • vendredi, 19 juin 2020 21:51
  • Zakaria
  • Sary: ZP

« Adjudant Chef » ny galona isalorany ary mitonona ho lefitry ny komandin’ny brigady izy, entiny anaovana ny asa ratsiny. Olona tsara sitrapo no nampandre ny fisian’ity lehilahy iray, 50 taona misandoka ho zandary ity.

Roso tamin’ny fikarohana sy fisamborana azy avy hatrany ny Zandary vao nahazo ny vaovao. Voasambotra ary tsy nisy fanoherana ny fisamborana azy ny tolakandron’ny 18 jona 2020. Nahitana akanjo « vert armé », galona « Adjudant Chef », « béret noir », lobaka manga tanora ary kiraro tao anaty kitapony rehefa nosavain’ny Zandary avy ao amin’ny kaompania Sambava.

Notazomina atao famotorana ilay rangahy, ary hatolotra ny Fitsarana ao Antalaha aorian’izay.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.