Tsaraitso - Betroka: Dahalo vao avy nigadra tratra ambodiomby nangalatra omby

  • vendredi, 19 juin 2020 21:41
  • Zakaria
  • Sary: ZP

Tra-tehaka ambodiomby teo ampangalarana omby tao Edazo, Fokontany Akomanga, Kaominina Tsaraitso, Distrikan’i Betroka ity dahalo, vao avy nivoaka ny fonja ity, ny alin’ny 17 jona 2020.

Teny an-dalana ho entina hiazo ny biraon’ny Brigadin’ny Zandary Betroka ilay dahalo no voalaza fa nanararaotra hitsoaka, rehefa tonga tao amin’ny toerana antsoina hoe : Kininitokana. Tamin’izay izy no voatifitra ka maty.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.