Mahabo-Betroka: Fokonolona telo sy dahalo telo no namoy ny ainy vokatry ny fifandonana

  • vendredi, 19 juin 2020 21:11
  • Zakaria

Notafihina andian-dahalo maromaro ny tanànan’i Manevy Kaominina Mahabo, Distrika Betroka ny alin’ny 17 jona 2020.

Efa niambina ny Fokonolona tao Manevy ka raha vao tafiditra ireo malaso dia raikitra ny fifandonana. Vokany, dia maty ny telo tamin’ireo dahalo, lavo ihany koa ny telo tamin’ireo Fokonolona. Tsy nisy omby lasa.

Nanokatra fanadihadiana sy manao hazalambo ireo dahalo nitsoaka ny Zandary avy ao Mahabo sy ny avy amin’ny USAD (Unité Spéciale anti-Dahalo).

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.