Hopitaly Anosy Avaratra: Vehivavy iray, 20 taona, tera-bao matin’ny Covid-19

  • jeudi, 04 juin 2020 22:09
  • Zakaria

Avy any Antanetibe Anativolo, Distrika Anjozorobe ity vehivavy bevohoka ity, ary ny 28 may 2020 tamin'ny 1ora maraina no tonga tao amin’ny hopitaly CHRD Anosy Avaratra, Distrika Antananarivo Avaradrano, Faritra Analamanga.

Tera-dahy tao ihany izy ny 29 may 2020 ary velona soa aman-tsara ilay zaza.

Voalaza fa nisy fambara fahasemporana ilay vehivavy taorian'ny fahaterahany ary dia maty io 29 may 2020 ihany.

Nanaovana faka singa « prélèvement » ilay ramatoa rehefa hita fa mampiahiahy ho voan'ny Covid-19. Nalefa tany amin’ny Institut Pasteur de Madagascar hatao fitiliana ny singa ary nivaly ny 03 jona 2020 izany, ka voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19 ilay ramatoa.

Natao fitiliana avokoa ny mpiasan'ny hopitaly Anosy Avaratra rehetra androany 04 jona 2020, noho io tranga io, ary nalefa any amin'ny IPM ny singa nalaina tamin’izany.

Nisy andiana mpiasan’ny fahasalamana lasa tany Antanetibe Anativolo hanao faka singa ny fianakavian'ny maty.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.