Voina noho ny andro ratsy: « Vonjeo Ambatoboeny Tompoko », hoy Rakoto Jean Valérien, Ben’ny tanàna

  • samedi, 25 janvier 2020 18:40
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Distrika isan’ny nitondra takaitra vokatry ny fandalovan’ny andro ratsy farany teo Ambatoboeny. Potika ny fambolena toy ny vary, katsaka,voanjo. Maro ny biby fiompy lasan'ny rano. Tapaka ny tetezana eo anelanelan'i Soaniaviana sy Ankijabe. Simba ny lalam-pirenena faha-33 bis.

« Vonjeo Ambatoboeny Tompoko », hoy Rakoto Jean Valérien, Ben’ny tanànan’Ambatoboeny. Miantso ny Filoha sy ny Governemanta ity farany « ho tonga sy hitondra vahaolana, fa indrindra ny sakafo sy ny fanafody ».

(Jereo Sary Tohiny)