Valan’aretina « Coronavirus »: Tonga any Eorôpa, telo no voa any Frantsa

  • samedi, 25 janvier 2020 10:09
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Misy trangana valan’aretina sinoa « Coronavirus » telo any Frantsa, ka ny roa ao Paris ary ny iray any Bordeaux. Nanamafy izany, omaly, Rtoa Agnès Buzyn, minisitry ny fahasalamana frantsay.

Tafakatra 41 ny olona namoy ny ainy tany Chine hatramin’ny nisehoan’ity valan’aretina ity tamin’ny volana desamba 2019.

Sinoa 40 tapitrisa amin’ny Kaominina miisa 13 ao amin’ny Faritry Wuhan no raràn’ny fanjakana Sinoa tsy hivoaka ao amin’ny toerana misy azy, mba tsy hihanahan’io Valan’aretina io. Tao amin’io Faritra Wuhan io no nahitana voalohany io valan’aretina « Coronavirus » tamin’ny volana desambra iny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.