Fanesorana mpivarotra amoron-dalana: Nampiomanina koa ny eny Mahamasina sy ny manodidina

  • mercredi, 15 janvier 2020 13:52
  • Zakaria
  • Sary: Polisim-pirenena

Nanentana sady nitondra fanabeazana ho an’ireo mpivarotra amoron-dalana eny Mahamasina sy ny manodidina ireo Polisy avy ao amin’ny koamisarian’ny Boriborintany fahadimy etsy Mahamasina, mahakasika ny arabe izay natao ho an’ny fiara ary ny « trottoir » ho an’ny mpandeha tongotra.

Nambara tamin’ireo mpivarotra amoron-dalana fa mila manatona ny Kaominina izy ireo amin’ny toerana izay azon’izy ireo hivarotana fa tsy eny amoron-dalana.

Hoesorin’ny Polisy avokoa ireo mpivarotra amoron-dalana tsy manara-dalàna manomboka amin’ny herinandro ho avy io eny amin’ny faritry Mahamasina sy ny manodidina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.