Liban: Midina an-dalambe ny mponina noho ny fidangan'ny vidim-piainana sy ny kolikoly

  • mercredi, 15 janvier 2020 10:22
  • Tigre
  • Sary nindramina

Efa hiditra ny faha 90 andro izao no nitrangana fidinana an-dalambe tany Liban, fa niavaka kely omaly satria dia teo anoloan'ny banky foibe libanais no nitrangan'ny sakoroka.

Nisy tanora namaky mihitsy ny fitaratry ny banky foibe.

Ny fidanganan'ny vola dolara sy ny kolikoly ataon'ny fitondrana no anton'izao fidangan'ny vidim-piaianana izao hoy ireto mpitokona.

Maty noana izahay hoy ny hafa, ny vidim-piainana efa tsy zaka, ny karama nidina vaky sasaka, ny mofo efa tsy voavidy. Feran'ny banky amin'izao ny fakana vola noho ny tsy fahampian'ny vola dolara.

Hatreto moa dia mbola tsy mety voatsangana ny governemanta libanais, ary efa mangataka ny ialan'ireo mpitondra ny mponina mitokona.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.