Ministeran’ny angovo, rano sy akoran’afo: Natao androany avy hatrany fifamindrana andraikitra

  • jeudi, 31 octobre 2019 23:15
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Notanterahina androany teny Ampandrianomby ny fifamindrana andraikitra teo amin’ny Minisitra nisahana ny Angovo, ny Rano ary ny Akoran'afo Vonjy Andrimanga sy ny Mpisolo toerana vonjy maika azy, ny Minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, Christian Ramarolahy.

Tapaka nandritry ny filankevitry ny minisitra omaly, araka ny tolo-kevitry ny Praiminisitra ny fanesorana ho eo amin’ny toeran’ny Minisitra nisahana ny Angovo, ny Rano ary ny Akoran'afo an’i Vonjy Andrimanga.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.