Antsiranana: Nodarohin’ilay mpiadina bakalôrea ny « Chef de centre » fa nanitsoka azy ho nanao « fraude »

  • vendredi, 25 octobre 2019 22:57
  • Zakaria

Tovolahy iray, mpiadina bakalôrea « série D », mpianatry ny lycée Zafy Albert Antsiranana no nahavita namely totondry ny lehiben’ny foibem-panadinana Antsiranana I, ny alakamisy 24 oktobra 2019 fa nilaza fa nanao « fraude » ilay tovolahy.

Vehivavy, mpampianatra ao amin’ny polyteknika amin’ny oniversiten’Antsiranana ity lehiben’ny foibem-panadinana voadaroka ity. Nahazo « repos médical » izy noho ny dona nahazo azy.

Nosamborina ny harivan’ny alakamisy ilay tovolahy ary atao fanadihadiana eny amin’ny Polisy amin’izao fotoana izao.

Fantatra fa 50 000 Ariary ny tambiny homena izay mahatrata mpiadina manao « fraude ».

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.